Ipam : Misehatra hampandroso ny renivohitr’ i Madagasikara

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, ny fivoriambe tsy ara-potoana nataon’ny Ivom-panajariana ny Tanànan’An­ta­na­narivo sy ny manodidina (Ipam). Fotoana nanamboarana sy nikitihana ny sata mifehy ny fikambanana. Ahafahana mijery sy mampiditra olona manam-pahaizana manokana hiara-hiasa amin’izy ireo ny antony nikitihana izany. Tan­jona ny hahafahan’izy ireo miantsehatra amin’ny fampandrosoana ny renivohitr’i Ma­da­gasikara, raha ny fanazavana.
Ankoatra izay, novelabelarina sy nampahafantarina nandritra izany ny foto-kevitra hijoroan’ny fikambanana sy ny asan’ny Agence d’Urbanisme eto amin’ny tanàn-dehibe. Mba hametrahana ny asam-baomiera mifanaraka amin’ny paikady vaovao entin’izy ireo mia­sa. Tonga nanatrika ny fivoriana teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivo­hitra, Andriantsitohaina Naina.
Marihina fa natsangan’ireo ben’ny Tanàna sy ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, nanomboka ny taona 2019, ny Ipam. Mba ho fitaovana handrindrana sy hampandrosoana ny tanàn-dehibe manerana ny kaominina 38. Mamatsy vola azy ireo amin’ny fanatanterahana ny asa ny Agence française de développement (AFD).

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: