Lisitry ny mpifidy : mbola hisy fitsirihana farany

“Aorian’ny 31 mey, hamoaka ny rejisitra izay azo lazaina hoe lisitra farany ny Ceni”, hoy ny fanazavan’ny mpampakateny, Andriama­ro­tafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny famaranana ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Nefa ireo nisoratra anarana taorian’ny 9 marsa, namaranana ny fandraketana amin’ny ordinatera nahazoana namoaka ny lisitra vonjimaika: tsy mbo­la nanao fanitsiana na fanamarinana. Noho izany, homena rariny hitsirika ny mombamomba azy ao anatin’ny lisitry ny mpifidy izy ireo.
Misy fotoana hahazoan-dry zareo mijery an’izay, raha misy mila fanarenana na fanitsiana. Any ho any amin’ny 10 jona no hanaovana an’izay, fa heverina hivoaka amin’io andro io lisi-pifidianana. Izay no lisitra farany saingy mety mbola misy fanitsiana kely ny momba ireo mpifidy ireo, fa tsy hoe mandray anarana vaovao. Mbola hisy koa ny fitsirihana farany atao hoe nasionaly eto an-toerana, izay hiarahana amin’ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika. Eo koa izay hiarahana amin’ ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Frankofonia.

Tsy atao an-tery na am-pitaka ny fisoratana anarana
“Rehefa nandinika ny lisitry ny mpifidy farany tamin’ny fanavaozana isan-taona (Ral) ny Ceni, nahita anaran’olona tsy mbola nisoratra anarana amin’izao fanavaozana tanteraka izao”, hoy kosa izy momba ny namoahan’ny Ceni ny lisitra mpifidy amin’ny Ral nefa tsy mbola nisoratra anarana amin’izao. Noraisina tsirairay ny anaran’izy ireo ary nampiantsoana eny anivon’ny fokontany. Karazana fanentanana sady fiantsoana izay. Tsy fanaovana fanadihadiana, fa fiangaviana hoe: tsy mbola nisoratra anarana amin’ny fanavaozana tanteraka nefa hita tao amin’ny Ral, raha mbola ao amin’ny fokontany. Raha nifindra fokontany, ohatra, izy, any amin’izay nifindrany indray no antsoina hanatona ny fokontany misy azy.
Ny lisitra teo aloha (Ral) no iaingana: izay ilay lisitra hoe tao amin’ny Ral tsy mbola hita ao amin’ny fanavaozana tanteraka. Azo atao ny mampiditra avy hatrany ny anaran’ izy ireo ao anatin’ny lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka izao. Saingy mila ny fankatoavan’ilay olona. Tsy an-tery ary tsy azo atao am-pitaka ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy.

R. Nd.

Partager sur: