“Aminay, filam-boatsihary ny filazana hoe tokony hanaovana fitondrana Tetezamita izany satria, hono, misy krizy. Tokony hanao fitondrana Tetezamita avokoa izany ny firenena maneran-tany, satria mandalo krizy sosialy sy toekarena. Tsy any ny resaka.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard.
Samy niaina ny fiainam-pirenena teto isika hatramin’ izay. Izany fitondrana Tetezamita izany dia noho ny hoe teren’ny zava-misy, efa tsy azo tantanina ny raharaham-pirenena, tsy voafehin’ny fitondram-panjakana intsony ny fitantanan-draharaham-panjakana… Voatery miroso amin’ny fitondrana Tetezamita, raha teo amin’ny fitondrana nifandimby.
Amin’izao, krizy sosialy na ny fahasarotan’ny vidim-piainana no misy manerana an’izao tontolo izao. Ao anatin’izao tontolo izao i Madagasikara, tsy maintsy miatrika an’izay.
Feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana
Efa nanome ny heviny ny Ceni fa amin’ny 9 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany. Inoana fa tsy hiova lavitra amin’izay ny fahefana mpanatanteraka.
Mbola ao anatin’ny fe-potoana telo volana mialoha ny fifidianana ahazoana manao fanaikana mpifidy izao.
“Aminay, feno ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana”, hoy izy. Mamela ny olon-drehetra izay mahafeno fepetra hirotsa-kofidina ny lalàm-pifidianana amin’izao. Manaraka, atao ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ary afa-misoratra avokoa ny olom-pirenena rehetra ary afa-manamarina ny anarany amin’ izany izay efa nisoratra. Hatramin’ny 31 mey ny fe-potoana farany amin’izany.
R. Nd.