Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana ny antso avo efa nataony ho an’ireo mpitsara. “Tsy maintsy halavirintsika ny kolikoly, ary aoka samy hanatanteraka izany”, hoy izy tany Maroantsetra, ny herinandro teo. Anisan’ireo niatrika ny lanonam-pitsarana manetriketrika, nametrahana ny filohan’ny fitsarana any an-toerana, i Maevazaka Josie Thérencia, ny tenany. Notsiahiviny koa fa miara-miasa ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Pnud amin’ny fanatontana boky, mirakitra ny didim-pitsarana nivoaka tany aloha. Mba hahafahana mampitovy ny didy mivoaka amin’ny raharaha mitovy, ka tsy hisy ny fitanilana, araka ny nambarany hatrany.
Etsy andaniny, nametraka fanamby ny filohan’ny fitsarana, vao napetraka, fa hanao ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny famotehana ny tontolo iainana, ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina ary ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Anisan’izany ny momba ny ady tany, tena mahazo vahana eny anivon’ny fiaraha-monina.
Tsiahivina fa nitsidika ny fonja tao Maroantsetra koa ny minisitra, taorian’izany ary nanolotra jiro hanazavana ny toerana sy vary hanampiana ny eo anivon’ny fonja.
Synèse R.