Poa-basy tetsy 67 Ha : rotiky ny bala Ra Nationale, jiolahy raindahiny

Nifarana hatreo ny asa ratsin-dRa Nationale na i Dadandry, anisan’ireo jiolahy raindahiny amin’
ny fanafihana mitam-piadiana eto an-dRenivohitra, afakomaly alina.

Tratra tetsy 67 ha, nifanenjehan’ny polisy ny jiolahy raindahiny iray, ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly talata. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika, tsy nanaiky io jiolahy io rehefa nifanehatra tamin’ny polisy nanao fanamiana sivily. Nan­dositra ary nanapoaka ny basy teny am-pelatanany . Raikitra ny fifanenjehana, voatifitra nandritra izany ity jiolahy atao hoe Ra Nationale ity. Teo am-pikasana hanao ny asa ra­tsiny izy izao tratra izao. Nandositra avokoa ireo namany rehefa nahita azy nitsirara tamin’ny tany. Latsaka teny aminy ny basy mahery vaika “PA”.

Mpamerin-keloka
Efa mpamerin-keloka ha­try ny ela, nokarohina hatrany ity jiolahy ity. Anisan’ny fa­na­ovany ny asa ratsiny ny teny amin’ny manodidina ny 67 ha, Cenam hatreny Ankasina. Niafara tamin’ny fahafatesany ny fandrobana miharo vono olo­na nataon’ity jiolahy ity. Raha tsiahivina, vao ny faran’ ny herinandro teo, nisy zandary maty voatifitry ny jiolahy teo Ankasina. Voaroba ta­min’izany ny lelavola mitetina 15 tapitrisa Ar. Telo lahy ireo olon-dratsy ary nitondra fitaovam-piadiana. Ankoatr’io, maty voatifitry ny polisy koa ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanendahana tetsy An­tohomadinika, afakomaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany . Nitondra antsy lava ary teo am-pikasana hanao ny asa ratsiny koa ity farany no lavo.

Tsiferana R.

Partager sur: