Samba tanteraka… : lehilahy tratra nanolan-jaza

Nampihatra ny filan-dratsiny tamina zazavavy iray vao fito taona! Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray tompon’ antoka tao Antsirabe, fokontany Antsiradava, distrikan’ An­di­lamena, afakomaly. Na­pe­traky ny reniny tamina olona tsy lavitra azy ireo io zaza io. “Mpanasa lamba io renin’ilay zaza io ka apetrany aman’olona ny zanany rehefa hiasa izy”, hoy ny zandary. Mandritra io fotoana tsy maha eo ny renin’ilay zaza io anefa, manararaotra manatona ilay zaza ilay lehilahy. Nanam­pa­ran’io lehilahy io ny filan-dratsiny ilay zazavavy. Na­m­pi­tahorin’ity farany mba tsy hampahafantatra na amin’iza na amin’iza io lasibatra io. Narary ary nitaraina tamin’ny reniny ilay zaza. Natao fizahana ara-pahasalamana ilay zaza ka voaporofo fa niharan’ny fanolanana tokoa izy. Efa potika tanteraka ny fivaviany.

Tsiferana R.

Partager sur: