Tandrevaka sa tena manao fihantsiana ny jiolahy? Hatramin’ny tomponandraiki-panjakana ambony eto amin’ny firenena aza sahin’ny olon-dratsy kitikitihina ny momba azy. Nandritra ny atrikasan’ ireo governoram-paritra sy ny ben’ny Tanàna maromaro, omaly, tamin’ny 11 ora sy 30 mn atoandro, nisy namaky teo anoloan’ny trano fandraisam-bahiny (kintana efatra) nivorian’izy ireo ny fiara 4×4 an’ny ben’ny Tanànan’i Sambava. Very tamin’izany ny kitapo iray misy antontan-taratasim-panjakana saropady, ahitana karapanondrom-pirenena malagasy sy maha mpizaka ny zom-pirenena frantsay azy, lelavola 1 500 000 Ar ary vola vahiny 80 euros, araka ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna. Niroso tamin’ny fanadihadiana avy hatrany ny zandary sy ny polisy satria anisan’ireo niatrika ity atrikasa ity koa ny lehiben’ny zandary sy ny polisy ary ny tonian’ny fampanoavana ambaratonga voalohany, sampam-pitsarana Toamasina. Nitondra bajaj ireo jiolahy nandritra ity fanafihana ity. Andrasana, araka izany, ny fanadihadiana momba ity raharaha ity satria misy camera de surveillance koa ao amin’ity toerana nivoriana ity.
Sajo/Jean Claude