Mahavelona ary azo hananganana orinasa maro ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina. Mila fiofanana kosa ireo hisehatra ao anatin’izany, ka izay no antom-pisian’ireo ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina.
Efa tafapetraka ny tany Toamasina, Ihosy ary teto Antananarivo. Notokanana, omaly, kosa ny ivontoeram-pikotrehana orinasa ara-kolontsaina na ny “centre d’incubation” fahefatra, any Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Araka ny anarany, toerana hahafahan’ireo tanora mamadika ny talentany ara-javakanto sy kolontsaina, ho lasa fihariana ny “Tosik’Art”.
“Hofanina izy ireo hianatra ny famolavolana orinasa miainga amin’ny business plan ka hatramin’ny fahazoana famatsiam-bola amin’ny banky mihitsy, sy ny fitadiavana mpanjifa sy lalam-barotra hampihodinana orinasa. Hampianarina leadership sy développement personnel ihany koa izy ireo”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, izay nitarika ny lanonam-pitokanana tany an-toerana.
Natomboka niaraka tamin’ny fitokanana ny fotodrafitrasa tao Tsiroanomandidy ihany koa ny tetikasa “Prom’Art”. Tafiditra indrindra anatin’ny tetikasa mantsy ny fampiofanana ireo tanora, izay iarahan’ny minisitera miasa amin’ny Unesco.
Raha tsiahivina, niainga tamin’ny fifaninana tamin’ny taona 2019, izay tetikasa mendrika eo amin’ny sehatry ny zavakanto sy ny kolontsaina ny “Tosik’Art”. Niitatra tamin’ny ivontoeram-pikotrehana orinasa izany, taorian’ny fahatsapana fa maro ireo tanora manan-talenta sy manana tetikasa afaka havadika ho loharanom-bola, saingy tsy ampy ny fahafahany manatontosa izany. Misy tsy ampoizin’ny rehetra ireo tetikasa novolavolain’ireo tanora, ary tsy voafetra araka ny mety hiheverana azy ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina. Manolo-tanana maimaimpoana azy ireo ny minisitera, mba hanatrarany ny tanjona, dia ny fananana orinasa mahaleo tena. Efa maro ireo tanora nisitraka izany, ary mbola mitohy ny tetikasa, indrindra fa mbola ho maro ireo ivontoerana vaovao. Anisan’ireo efa nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ka hisokatra tsy ho ela ny any Antsirabe, Maevatanàna, Sambava, Ambovombe ary Miarinarivo.
Zo ny Aina