Tonga nitsidika ny tsena Andrianjaka, eny Isotry, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. «Ahitana karazan’entana ilaina amin’ny andavanandro eny an-toerana”, hoy ny delegen’ny mpivarotra, Rakotonarivo Frédéric Désiré. Anisan’izany, ny mpivarotra lamba, hani-masaka, momba ny fahasalamana, vy, brocanteur, hazo, contreplaqué…
Mampiavaka ny tsena eny ny fisian’ireo mpanamboatra sy mpanakalo entana simba (onduleur, téléphone…), raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, ahitana mpanamboatra sy mpivarotra loko, mpanao rebobinage, plomberie ihany koa eny an-toerana.
Nandritra ny fidinan’ny ben’ny Tanàna dia nangataka taminy ireo mpivarotra mba hametrahana jiro sy rano ary hanatsarana ny tsena. “Milamina ny fandriampahalemana sy ny lafiny rehetra amin’ny ankapobeny eo anivon’ny tsena satria efa misy fiarovana avokoa ao anatiny sy ny ivelan’ny tsena”, hoy hatrany izy.
Mino (mpianatra asa)