Voasambotry ny polisy ireo telo lahy namaky ny fiaran’ny ben’ny Tanàna’i Sambava, tao Toamasina, omaly.
Nangalatra vola mitetina 1 tapitrisa Ar mahery niampy vola vahiny 100 Euros teo akaikin’ny trano fandraisam-bahiny ny mpangalatra iray, afakomaly. Fiara iray nipetraka amoron-dalana tsy nisy olona tao anatiny. Hitan’ity olon-dratsy izany ka nohararaotiny. Novakiany avy hatrany ny varavaram-pitaratr’io fiara io. Nidirany an-keriny tao anatin’ny fiara. Vokany, lasa ny vola vahiny niampy vola
1 tapitrisa Ar. Nosavainy avokoa ny fitoeran’entana ka nalainy ny taratasy maro. Raha tsiahivina, nanatrika atrikasan’ireo governoram-paritra sy ny ben’ny Tanàna maromaro ilay lasibatra, afakomaly tamin’ny 11 ora sy sasany. Nametraka fitoriana, voasambotry ny polisy avy hatrany ireo nahavanon-doza. Natao famotorana, niaiky heloka saingy tsy hita teny amin’izy ireo intsony ny vola nangalariny. Nitoroka ny olona nandray ny vola ilay mpamaky fiara ka noraisim-potsiny ireo namany.
Tsiferana R.