Nidoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fampanoavana ilay pasitera mpitari-pivavahana sy ny namany telo hafa ao amina fiangonana zandriny iray ao Fianarantsoa, afakomaly. Voasaringotra ho nanao fanararaotana ara-nofo tamina renim-pianakaviana mpivavaka ao amin’io fiangonana sahaniny io izy ireo. Raha tsiahivina, nanao fitarainana teny anivon’ny fitsarana ao an-toerana ny mpiangona telo vavy. “Efa fanaon’io pasitera io amin’ny mpiangona sasany izay efa samy renim-pianakaviana io fomba ratsy io”, hoy izy ireo. Hisorohana ny hiparitahan’ilay fomba ratsy amin’ny tovovavy anatin’ny fiangonana, nampaneno lakolosy teo anivon’ny fitsarana izy telo vavy. “Nahazo ny taratasy fahazoan-dalana hanao ny fanadihadiana teny anivon’ny fitsarana ny polisy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fisamborana ilay pasitera sy ny mpiara-miasa aminy telo, ny alahady 18 mey teo. Niakatra fampanoavana ny raharaha. Vokany, notanana am-ponja vonjimaika izy efa-dahy”, hoy ny fanavazan’ny iray tamin’ireo raim-pianakaviana vadin’ny lasibatra.
Tsiferana R.