Handball – IHF Trophy U17 : resin’i Zambia ny Akio de Madagascar

Nanomboka, omaly, atsy Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho tompondakan’ny faritra fahafito, eo amin’ny taranja handball sokajy zandriny U17 sy U19 vavy na ny « IHF Tro­phy ». Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar U17, teo amin’ny andro voalohany ho an’ny sokajy “A”. Resin’i Zambia, tamin’ny isa 41 no ho 32 ny Akio de Madagascar. Fihaonana notanterahina tao amin’ny kianja Orlando Hall Johannesburg.
Voalazan’ny loharanom-baovao fa voa teo amin’ny haben’ny vatana ny malagasy mpilalao. Tsy mifanalavitra nefa ny fahaizana teny ambony kianja. Nanantombo teo amin’ny hafainganam-pandeha aza ny Akio de Madagas­car, saingy teo amin’ny famaranana ny hany lesoka. Tsy nifanitsy tamin’ny tsatoby ny tifitra nataon’izy ireo na azon’ny mpiandry tsatoby. Nana­hirana ny malagasy mpilalao ihany koa ny fiarovantena zambianina, izay lava sy ranjanana. Teo am-pialan-tsasatra dia efa nitarika tamin’ny isa, 21 no ho 15 ry zareo Zambianina.
Hitohy anio ny fifanintsanana ka hidona amin’i Mo­zam­bique ny i Mada­gasikara. Tsia­hivina fa miray vondrona i Madagasikara, i Malawi, i Mo­zambique, i Namibie ary i Zambia ho an’ny U17. Hiditra an-tsehatra ihany koa, anio, ny U19 ka hifanehatra amin’i Malawi. Tsiahivina fa firenena telo no miaraka amn’ny Akio, ao amin’ny vondrona “A” dia i Seychelles sy i Malawi.

Tompondaka

Partager sur: