Mbola azo lazaina fa mbola ao anatin’ireo ekipam-pirenena haka ny tapakila handraisana anjara amin’ny “World Cup” indray ny XV Makis Ladies. Resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10 ny Lionan’i Cameroun.
Mbola velombolo hiatrika ny “World Cup Rugby”, ny ekipam-pirenena malagasy XV Makis Ladies, amin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division”, izay atao eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10, ny Liona tsy voafolak’i Cameroun, nandritra ny andro faharoan’ny fifanintsanana.
Nanindry tanteraka ny Malagasy mpilalao. 2 minitra nanombohan’ny lalao dia nahatonga baolina nentin-tanana ho an’ny Makis Ladies i Nanou, saingy tsy voatsara izany. Taorian’izay anefa (4 min), nanindry “essai” ho azy ireo ny Liona, ary tsy tafiditra ny dakany ka “essai non transformé”. Nanarina ny lesoka avy hatrany ny Makis, niezaka nanao ny tolotolotra mampiavaka azy, ka nahatonga “essai” i Fandrava, ny minitra faha-13, nefa tsy voatsaran’i Cora izany. Tsy tapitra teo ny “essai” ho an’ny Malagasy, fa nampian’i Vachily indray izany, ny minitra faha-27. Mialohan’ny fotoana fialan-tsasatra dia nanatitra “essai ho azy ireo ny camerounaise, saingy tsy voatsara ihany izany. 15 no ho 10 ny isa nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, naneho ny maha ekipa sangany azy ny Makis, ka niampy roa indray ny baolina nentin-tanana naterin’izy ireo. Anisan’izany, ny an’i Nasandratra, ny minitra faha-21 sy ny an’i Zouanah, ny faha-36. Nilaza moa ny mpanazatran’ny Makis, Randriamihaja Alain, fa noezahina natao ny hamoaka ny baolina haingana sy hanatitra ny “essai” maro ary mbola hiezaka ny hanao izany amin’ny lalao manaraka izay hifanandrinantsika amin’i Afrika Atsimo, ny 28 mey ho avy izao izy ireo.
Ankoatra izay, mitana ny laharana voalohany ny Springboks Afrika Atsimo. Nomontsanin’izy ireo tamin’ny isa 48 no ho 0 ny Simbas Kenya. Nanjakan’ny mpilalaon’i Afrika Atsimo tanteraka ny 80 minitra. Teo amin’ny fe-potoana voalohany, nitarika tamin’ny isa 34 no ho 0 ny Springboks, raha toa ka io isa 48 no ho 0 io, nisarahan’ny roa tonta rehefa tapitra ny lalao. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny ekipam-pirenena malagasy.
Nanolotra baolina 75 ho an’ny Malagasy Rugby ny World Rugby
Teo amin’ny fotoana fialan-tsasatra, nisy ny hetsika fanolorana ireo fitaovana, baolina rugby miisa 75 ho an’ny Malagasy Rugby. Marihina fa avy amin’ny World Rugby, tamin’ny alalan’i Ninette Kruyt, Expert GIR izany. Araka ny vaovao, natao ho fampivoarana ny rugby eto amintsika ity hetsika ity.
Fitia (Mpianatra asa)
Hoy izy ireo :
Claudia, kapitenin’ny Makis Ladies : “Faly tanteraka izahay, lavonay ny Lionan’i Cameroun, ary ity no fandresena voalohany azontsika, tamin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division”, atao aty Madagasikara ity. Mbola mitohy ny lalao, ekipa mafy i Afrika Atsimo saingy hiezaka ny hanohitra azy ireo izahay.”
Felix Onana, Filohan’ny Rugby any Cameroun (Comité de Normalisation) : “ Azo lazaina fa tsara ho anay ny vokatra satria tsy manana traikefa be loatra amin’ity taranja ity izahay fa vao manarina tsikelikely. Tombony ho an’ny Makis Ladies, ny hakingana sy ny tanjaka eny ambony kianja, ary sarotra ho anay ny mihaona amin’izy ireo. Vonona ny hiaro ny voninahitray amin’i Kenya nefa izahay.”