Madagasikara-Nouvelle Calédonie : mitohy ny fifanakalozana ara-kolontsaina

Mitohy ny tetikasa fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin’i Madagasikara sy i Nouvelle Calédonie. Eny
amin’ny Ivontoeran’ny ko­lontsaina malagasy (IKM) Antsahavola, mandritra ny 15 andro no hanatanterahana izany. Ny IKM Antsahavola sy ny Centre culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) no misolo tena ny Nosy roa tonta amin’ny fanaovana izany fifanakalozana izany. Efa eto Mada­gasikara ny solontena avy any Nouvelle Calédonie, ary efa nisy ny fomba sy kolontsaina nifanakalozana tao anatin’
izay andro vitsy nanombo­han’ny tetikasa izay. Efa nisy ny fifanakalozana natao tany Nouvelle Calédonie, ny taona lasa, ary anjaran’i Madaga­sikara indray izao ny mampiantrano izany tetikasa izany.
Fampahafantarana ny fomba mampiavaka ny Nosy roa tonta, fifanakalozana kolontsaina no hameno ny 15 andron’ny tetikasa. Nandritra ny andro faharoa, omaly, ny “Hure hmeno” no nampahafantarina. Hira entina hamaranana ny dia, raha tonga sy hiditra amin’ny toerana iray izy ity.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: