“Dingana ilaina amin’ny fitsaboana ny fahasalaman’ny saina ny fitsaboana ara-javakanto. Manampy betsaka ny olona avy nanaraka fitsaboana teny amin’ny CHU, misahana ny fahasalamana ara-tsaina, Anjanamasina, hiomana hiverina eny anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina izany”, hoy ny talen’ny hopitaly CHU Anjanamasina, dokotera Rahanitrandrasana Esther Odile, omaly, teny an-toerana.
Nohavaozina ny ivontoerana hanatanterahana ny fitsaboana ara-javakanto ho an’ireo manaraka fitsaboana na fanaraha-maso ny fahasalaman’ny sainy ao anatin’ny CHU Anjanamasina. Tafiditra amin’ny fandaharansa “Miahy” sahanin’ny Fondation Axian ary tohanan’ny orinasa Jovena ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy fampitaovana ny ivontoerana. “Lehibe indrindra sy mitondra vokatra mivantana ho an’ny vahoaka ny fahasalamana ka mety indrindra raha ampiana ny toeram-pitsaboana”, hoy ny tomponandraikitry ny serasera ao amin’ny Fondation Axian, Ravelonjato Claudia. Nifarimbona izy roa tonta tamin’ny fanarenana sy ny fampitaovana ny ivontoerana, hanatsarana ny tolotra ho an’ny marary. Dihy, hosodoko, zaitra, fampiasana zavamaneno no amoahan’ny marary ny zavatra rehetra tsy zakany na tsy hainy ny maneho azy amin’ny fihetseham-po. Iarahana manao avokoa ny zavakanto hisian’ny fifanakalozana eo amin’ireo marary.
“Araka ny fanadihadian’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS), amin’ny taona 2030, ho lasa olana ho an’ny fahasalamam-bahoaka maneran-tany ny fikorontanana ara-tsaina sy ny aretin-tsaina ka mila fandraisana an-tanana”, hoy ny tale jeneralin’ny tolotra ara-pitsaboana, dokotera Razafimahatratra Rado. Hatramin’izay, tafiditra amin’ny aretina notsinontsinoavina ny olan’ny saina ka manao ezaka ny fanjakana amin’izao fotoana izao hanome tolotra fitsaboana mitsinjo ny aretin-tsaina.
Vonjy A.
1000 isan-taona ireo araha-maso ny fahasalaman’ny sainy
“1000 isan-taona ny olona manaraka ny fahasalaman’ny saina eny amin’ny CHU Anjanamasina. 35 kosa ny marary ao amin’ny hopitaly amin’izao fotoana izao”, hoy ny talen’ny hopitaly Anjanamasina. Mitombo hatrany ny isan’ny marary ary ireo marary tsy mikorontana be sy masiaka be intsony no manaraka fitsaboana ara-javakanto. Ireo miverina manao fanaraha-maso ny fahasalamany koa mbola manatona ny ivontoerana mandrefy raha tafapetraka ny tanjona natomboka tao amin’ny hopitaly. Matetika mijanona tapak’andro ao amin’ny ivontoerana izy ireo miaraka amin’ny mpitsabo.
Sokajin’olona maro no manatona eny
amin’ny CHU Anjanamasina, mikorontan-tsaina, tsy te hiasa na hianatra, nidonam-pahoriana ka harovana izy ireo tsy ho tonga amin’ny rarin-tsaina. Lehilahy no maro anisa
amin’ireo raisina an-tanana. Mizara sokajy telo ireo marary: ireo manana fifandraisana ratsy amin’ny fiarahamonina ka anisany ny vokatry ny fandraisana zava-mahadomelina, ireo voadona mafy na nidiran’ny otrikaretina ny faritry ny loha. Farany ireo marary saina noho ny tarazo manaranaka.
Sitrana amin’ny ankapobeny na azo iaraha-monina ny olona noraisina an-tanana teny amin’ny CHU Anjanamasina ary tsy vitsy ireo miverina eny anivon’ny ankohonany indray.