Mitohy ny fifaninanana «Neny Miavaka», andiany faharoa, karakarain’ny Mpampianatra mpanabe ho amin’ny fanovana Analamanga (MMFA). Tanjona ao anatin’izao hetsika izao ny hanomezana sehatra sy fankasitrahana ny reny mendrika. Ao anatin’ity fifaninanana ity ihany koa no hanehoan’ny reny tsirairay avy ny zava-bitany sy ny fahaiza-manaony. Misy ny fanehoan-kevitra sy fifampizarana fomba fitaizana ao anatin’izany. Miisa 8 ny mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity. Ao anatin’ny fifaninanana tanteraka ny mpandray anjara amin’izao fotoana izao. Ny 10 jona 2023, eny amin’ny IKM Antsahavola no hanatanterahana ny famaranana. «Tsy nasiana fepetra sy sokajin-taona ny fandraisan’anjara. Tanjona ny hahitana reny samy manana ny maha izy azy, mba tena hisian’ny fifampizarana”, hoy ny mpikarakara.
Avy amin’ny mpikarakara, hisy ny fampahafantarana ny reny amin’ny maha Malagasy sy ny fomba fanaon’izany reny izany teo amin’ny Malagasy. Hisy ihany koa ny fitondrana fijery vaovao ary fampahatsiahivana ny adidy sy andraikitry ny reny.
Lin (Mpianatra asa)