“World Cup 3×3”-“Match Test” : raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Ankoay

Lalao miisa 3 no natrehin’ny ekipa malagasy Ankoay, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe, “tournoi” iray hifandonana amin’ireo ekipa Pro Senior, ao Serbie, ity lalao ity. Mafy ireo ekipa nifanandrina tamin’ny ekipa malagasy, araka ny namba­ran’ny mpanazatra saingy niezaka nanohitra ny Malagasy. Fandre­sena iray nanoloana ny KV 3×3 Serbie, tamin’ny isa 22 no ho 14, ny azon’ny Ankoay. Lavon’ny 3×3 Ak Sekulic, tamin’ny isa 21 no ho 19, kosa avy eo ry Elly sy ny namany, tamin’ny lalao faharoa ary nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana nanoloana ny Krupanj 3×3 ny Ankoay, izay resy tamin’ny isa 21 no ho 16. Tsiahivina fa io ekipa nihaona tamin’ny Ankoay teo amin’ny ampahefa-dalana io no nahazo ny amboara tamin’ity “tournoi” ity.
Mbola hihamafy hatrany ny fanomanan-tenan’izy 4 mirahalahy amin’izao andro vitsy tsy hanombohan’ny “World Cup 3×3” izao. Mbola hisy ny “tournoi” ny 27 mey izao. Ny 28 mey kosa izy ireo no hihazo an’i Viennes, Autriche, hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany, hatao ny 30 mey hatramin’ny 4 jona izao.

Mi.Raz

Partager sur: