Very vola amina miliara ny orinasa Jirama. Vidin-jiro sy rano tsy voaloan’ny mpanjifa tao anatin’ny dimy taona. Hijery akaiky ny raharaha ny orinasa ka hanangana sampandraharaha hanara-maso izany.
Hiroso amin’ny fitakiana ireo trosa tsy voaloan’ny mpanjifa teo anelanelan’ny taona 2018 ka hatramin’ny 2022 teo, ny orinasa Jirama. “Tafakatra hatramin’ny 200 miliara Ar ny vidin-jiro sy rano tokony haloan’ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin’ny dimy taona farany. Ka izao manampy trotraka ny fahasahiranana iainan’ity orinasa ity izao”, araka ny tatitry ny filan-kevitry ny minisitra, ny alarobia teo.
Noho izany, hatsangana eo anivon’ny orinasa ny sampandraharaha manokana sady hitaky trosa, no hijery ilay olana. “Azo heverina ihany koa ny hangalana traikefa amin’ny orinasa tsy miankina efa matihanina amin’ny fitakiana vola hanampy amin’ny fananganana io sampandraharaha io”, araka ny fampitam-baovao hatrany.
Hijery ireo fahaverezana ara-teknika amin’ny fitsinjarana herinaratra avy amin’ ny orinasa ihany koa ny Jirama. Fantatra fa tafakatra 30% ny fahaverezana herinaratra tsinjaraina eto Madagasikara. Tombanana hatrany amin’ny 150 miliara Ar isan-taona ny fahaverezana goavana ara-teknika.
Vahaolana naroso ny hametrahana rafitra ara-kajy mirindra sy rindrambaiko. Izay sady hanara-maso no hijery ny famokarana ny fitaterana sy ny fitsinjarana ny herinaratra.
Henintsoa Hani