Handeha amin’ny Canal Evenement avokoa ny lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany miisa 2. Ho hitan’ny mpanohana avokoa na ny ho an’ny U19 lehilahy na ny Ankoay Senior 3×3.
Nampahafantarina, ofisialy, omaly, teny Andraharo, fa handeha ao amin’ny Canal Evenement, avokoa ireo lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany. Ho hitan’ ny mpankafia na ny U19 na ny basikety 3×3, hanomboka ny 30 mey izao. Manomboka amin’ny lalao voalohany hatrany amin’ny famaranana no handeha, araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ ny Canal +, Razafindrakoto Onjatiana. Ho an’ny fifaninanana basikety 3×3 kosa, hisy lalao hafa ankoatra ny an’ny Ankoay handeha ao amin’ny chaine Canal Evènement. Ho fanohanana ny ekipa malagasy, indrindra amin’ny maha “partenaire gold” ny federasiona malagasin’ny basikety azy ireo no anton’izao, hoy hatrany ny fanazavany.
Ankoatra ny lalaon’ny Ankoay, zava-baovao maro no hiverina ao amin’ny Canal +, anisan’izany ny Canal + M’Korana, hahitana fandaharana sy sarimihetsika maro. Tafiditra ao anatin’ ilay “Festival de cadeau” avokoa izany. Hisy ny fisarihana ahazoana tapakila fialantsasatra any Paris, ho an’olon-droa, sy loka maro samihafa.
Nankasitraka ny fanohanan’ny Canal + ny basikety malagasy ny federasiona. Nanome toky fa tsy handray anjara fotsiny no tanjon’ny Ankoay amin’ity lalao goavana ity fa tena hifaninana mihitsy.
Mi.Raz