“Ho an’izay matahotra fifidianana rehetra ny fivoizana Tetezamita izay. Na iza na iza io, izay mety misy ao amin’ny fitondrana na avy amin’ny fanoherana. Misy ny tsy sahy fifidianana filohan’ny Repoblika, na depiote, na ben’ny Tanàna… Mivoy ny fitondrana Tetezamita sy fiaraha-mitantana ry zareo”.
Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Ambohidratrimo, tamin’ny anaran’ny IRD, Rakotoarisoa Johnny.
Fanimbana firenena ary famotehana vahoaka efa sahirana ny finiavana hiditra ao anatin’ny Tetezamita indray. Ny mpanao politika no mahazo tombony.
Ketriketrehan’ny mpanao politika matahotra fifidianana ny fahazoana toerana ao anatin’ny Tetezamita. Mihemotra hatrany ny laharantsika maneran-tany ary mihasahirana ny vahoaka. Hiditra amin’ny fandrika tsy hitondra fampandrosoana eritreretina hatao eto ?
Tsy misy afenina eto fa miara-mahita isika: ohatrinona ny volan’ny Ceni ? Rafitra efa nisy ny Ceni, fa nanova olona no atao fa voafetra ny fe-potoam-piasan’izay eo. Tapitra ny fe-potoam-piasan’ny teo aloha, tonga ny vaovao.
R. Nd.