Hifarana anio ny hetsika fanentanana ho fanoherana ny herisetra ara-nofo eny anivon’ ny toeram-piofanana teknika, notanterahina nandritra ny hateloana, tany Toamasina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Trade for decent work izay karakarain’ny sampandraharahan’ny Organisation international de travail (OIT) ho an’i Madagasikara, Comores, Maurice ary Seychelles izany. Mamatsy vola ny hetsika ny Vondrona Eoropeanina sy ny governemantan’i Finlande.
Ho an’i Madagasikara manokana, mbola fady ny firesahana ny fananahana nefa maro anisa no iharan’ny herisetra ara-nofo, indrindra eny anivon’ny toeram-piofanana sy fianarana ary miseho amin’ ny endrika maro samihafa.
Araka ny fandalinana nataon’ny Transparency International Initiative Madagasikara, 84% amin’ireo mpianatra sy mpiofana no iharan’ny fanararaotana ara-nofo, amin’ ny alalan’ny firaisana ho tambin’ny naoty tsara. Tsikaritra izany eny amin’ny ambaratonga ambony sy eny amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Tsy mijanona eo amin’ny fanentanana fotsiny ny hetsika fa manaitra ny fahatongavan-tsain’ny besinimaro hitarika amin’ny fiovan-toetra.
Vonjy