Fananantany : sakana amin’ny famokarana ny herisetra ara-tany

Antapitrisa ireo tantsaha ao amin’ny faritra Atsinanana tratry ny herisetra ara-tany, indrindra ny ao Toamasina II. Sakana amin’ny famokarana ifotony izany ary mampitarazoka ny toekaren’ny mponina.
Nisokatra ny alatsinainy teo, teny amin’ny Lapan’ny tanànan’i Toamasina, ny herinandron’ny karatany. Nitarika izany ny minisitry ny Asa tanàna sady mpiahy ny faritra, Ratsiraka Sophie.

“kaominina 50 amin’ireo 191 ao amin’ny faritra no efa manana birao ifoton’ny fananantany (BIF), koa antsoina ireo tantsaha rehetra hanatona ny birao”, hoy ny governoran’ny faritra, Rafidison Richard Theodore. Mila ma­natona eny amin’ny biraon’ny fananantany eo amin’ny distrika kosa ireo mponina mipetraka any amin’ny kaominina tsy manana ny BIF.

Mahatratra 2 tapitrisa mahery ny karatany hozaraina manerana ny Nosy. Ao amin’ ny faritra Atsinanana avokoa ny iray hetsy amin’ireo.

Sajo/ Henintsoa H.

Partager sur: