Seho tokana! Efa nambara fa tsy hanam-paharoa ny “Feo sy gitara”, izay hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Pantekoty 29 mey izao. Vaovao lehibe hafa koa, afaka misitraka izany ny rehetra, indrindra ireo Malagasy maneran-tany! Fantatra mantsy fa handeha mivantana ao amin’ny www.sehatra.com ny seho, manomboka amin’ny 11 ora, etsy amin’ny Coliseum, izany hoe amin’ny 10 ora any Frantsa. Afaka mihanoka izay rehetra mitranga eo na ireo any ivelany rehetra, na ireo any amin’ny faritra, na ireo tsy afaka mankeny an-toerana. Toa ny live stream rehetra izay efa mahazo vahana maneran-tany, hisy saram-pandefasana izany. “Natao izao ezaka izao mba hamaly ny filan’ny mpanjifa fampisehoana rehetra, indrindra fa manaraka ny fivoaran’ny teknolojia izany”, hoy ry zareo tomponandraikitry ny Sehatra.com, izay tanora malagasy avokoa.
Raha hiverenana, seho goavana hampiarahana an-tsehatra indray, ireo nanamarika ny “revy gitara” izy ity. Hifandimby ao ry tarika Mahaleo, ry zalahy ao amin’ny Lôlô sy ny tariny izay misy ampahany ho avy manokana avy any an-dafy. Mandalo an-tanindrazana ihany koa i Hanitra Ranaivo, ka hamerina indray ny fahiny miaraka amin’ireto namany ireto. Eo koa i Erick Manana sy ny tarika Feo Gasy, Tsialonina, ny tarika Levelo, ny tarika Tsiakoraka, Zandry Gasy, Hery ary ny Tafan-gilita. Ito farany izay ivondronan’ireo mpitendry gitara efa kalaza amin’izao fotoana, toa an’i Hoby, Jovin, Nini Kôlibera ary i Mbola Talenta.
“Ezahina ho seho tsy an-kiato io. Maizina vao hisaraka raha ny fandaharana ny hira, satria maherin’ny 80 izany”, hoy ny nambaran’i Jack Thierry, izay hisahana manokana ny fandrindrana ny lafiny artistika.
“Ivon’ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny mi’Ritsoka Production ity seho ity. Sambany izahay vao hanao fampisehoana ao amin’ny Coliseum. Efa niara-niasa taminay avokoa anefa ireo mpanakanto ireo, ka hafaliana ho anay ny hahafahana hampiaraka azy ireo an-tsehatra”, hoy Randriamampianina Hery, tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana.
Zo ny Aina