Hatramin’izao, mbola resaka tsy vita na mahabe adihevitra ny amin’ny lalàm-pifidianana? “Inona no tian’ny mpanoratra hahatongavana?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny hoe fandinihan’ny governemanta ny amin’ny volavolan-dalàna momba ny lalàna fehizoro lah. 002-2023/PL izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao amin’ny lalàna fehizoro lah. 2018-008 mifandraika amin’ny rafitra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka, tamin’ny filankevitry ny governemanta, tamin’ny 16 mey.
“Isaorana raha hikitika lalàm-pifidianana ihany ny governemanta. Saingy tsy ekena handeha amin’ny lalan-tokana raha hanao an’izay”, hoy izy. Tolo-kevitry ny KMF/Cnoe ny hoe maka ny hevitry ny olona avy any ifotony amin’ireo faritra 25 : ny faritra 23 hampiana roa, fa zaraina telo Antananarivo. Amin’izany, hantsoina ny Malagasy manampahaizana sy ny mpahay lalàna eny amin’ny oniversite Ankatso sy Andrainjato, Fianarantsoa, hanoratra an’izay tolo-dalàna hanatsara ny lalàm-pifidianana izay.
Raha vao tsy izay no enti-manatsara ny lalàm-pifidianana, tsy handeha amin’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra, araka ny fanazavany ihany. Ekena ary ilaina ny fikitihana ny lalàm-pifidianana. Saingy rehefa hanao an’izay, tsy hevitr’olon-tokana no hatao amin’izay. Ilaina ny maka ny hevitry ny ankolafin-kery samihafa. Tsy ny ankolafin-kery ao Antananarivo ihany no hoe Madagasikara. Ilaina ny hevitry ny ankolafin- kery any amin’ny faritra rehetra. Izay no hatambatra ary homen-danja ny Malagasy manampahaizana sy ny Malagasy mpahay lalàna handrafitra ny tolo-dalàna mba hivoahana amin’ny fifidianana tena handraisan’ny rehetra anjara sy eken’ny rehetra.
Ilaina ny fanazavana
Fandinihana ihany ve no nataon’ny governemanta tamin’ny filankevitra, tamin’ny 16 mey, ny amin’izay tolo-dalàna fehizoro eo an-tanany? Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Antenimierampirenena, Tsimbazaza, afakomaly, fa hanahirana ny fanovana lalàm-pifidianana. Hanao ahoana ny ho tohin’ny raharaha manoloana ny ahiahin’ny KMF/Cnoe? Mila fanazavana…
R. Nd.