Mahita hirika hatrany! Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta amin’ny Cash point. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria, boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo izy, tamin’ny talata atoandro teo.
Naharay fitarainana momba ity lehilahy ity ny polisy. Mpisoloky efa malaza ratsy eny an-toerana. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy fa mody ataony Mvola ny anarany amin’ny findainy. Rehefa manatona ny Cash point ho lasibatra dia mandefa “Sms”. Alainy fotsiny avy eo ny vola. Tsy mahalala na inona na inona ny mpiasa eo amin’ny Cash point, manome vola avy hatrany. Cash point maromaro no efa tratrany. Ao anatina tambajotrana mpisoloky izy, araka ny nambarany. Maro ny namany mbola miriaria any.
Jean Claude