Mitsindrona «héroïne»: lehilahy iray voasambotra

Mpitsindrona zava-ma­ha­­domelina mahery vaika «hé­roïne» voasambotry ny polisy tetsy Antsalovana, afa­komaly. Nanao fisafoana teny amin’ny manodidina, tra-tehaka teo am-pitsindronana izy. Tovolahy 23 taona ity voasambotra. Niaiky ny heloka izy. Nilaza tamin’ny mpanao famotorana fa efa am-bolana maro no niankin-doha tamin’ ny zava-mahadomelina.

Karohina ny namany, voalaza fa mpividy izany. Tra-tehaka tao amin’ity lehilahy ity ny fitaovam-pitsindronana fampiasany. Nen­tina hatao famotorana ka hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.

Tsiferana R.

Partager sur: