Raha tena niainana ny teny : tsy tokony ho simba ny fiarahamonina…

Teny no namoronana izao tontolo izao ! Famerimbe­rin’ ny mpikaroka maro io. Mi­songadina noho ny fananany hasina lehibe kosa anefa ny teny malagasy. Noho io hasina io, vitsy dia vitsy ny Ma­lagasy no sahy niteniteny foana. Sarotra ho an’ny Ma­lagasy ny nanompa na nanozona na nandatsa. Nanome anatra ho an’izay nandia lalan-diso no nezahiny natao.
Niova izany taty aoriana. Niha maivana sy very hasina ny teny malagasy satria na ny hevitra fonosin’izy ireny aza tsy hain’ny tompony akory. « Mandoa latsakemboka », ho­no ! Firy amin’ny Malaga­sy, ohatra, no mahafantatra ny atao hoe « latsakemboka » ? Amin’ny fotoana tahaka inona izany no atao ? Inona ny antony hanaovana « latsakemboka » fahiny ? Maro ireo fanontaniana tahaka izany no tsy voavaly intsony ankehitriny.

Lasan-ko vavany…

Manana ireo kanto ahafahana mitazona sy mamelona ary mampita ny hasin’ny teny malagasy ny Malagasy tompony. Anisan’izany ny mpikabary, ny mpihiragasy, ireo mpihira isan-tsokajiny, Matoa tsy mitsaha-mivarina tahaka izao ny lanja aman-kasin’ny teny malagasy, tsy mbola mahavita ny adidiny ireo izay mampiasa ireny kanto ireny. Sa ve efa manao izay ho afany ihany fa tsy misy mpihaino ?

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: