Anisan’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny fisandratana ho an’i Madagasikara (IEM ). Mampiavaka azy ny fanohanana ny vehivavy mpandraharaha sy ny lehilahy amin’ny alalan’ny fandaharanasa.
Nisy ny andiany voalohany nantsoina hoe «3,2,1 pitch by Fihariana», nisitrahana mpandraharaha miisa sivy avy any amin’ny faritra samihafa.
Noho ny fahombiazan’io andiany voalohany io, natao, omaly, tany Toamasina, faritra Atsinanana, ny fanomanana ny andiany faharoa, izay hotanterahina ny 2 jona ho avy izao.
Hanangana vovonana
Amin’ny maha endrika fifaninanana ny «pitch», tanjona amin’ity andiany faharoa ity ny hananganana vovonona hifanakalozam-baovao sy traikefa ho an’ireo tanora mpandraharaha sy izay maniry hanao izany. Ao anatin’ny vovonana no hifanohana sy hampiroborobo ny tetikasan’ ny tsirairay. Nisy tamin’ireo tanora mpandraharaha nahazo loka tamin’ny andiany voalohany no efa nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Repoblika nandritra ny hetsika Malagasy Youth Business Meeting by Fihariana. Fotoana nijerena ny fomba hanohanana bebe kokoa ireo tanora mpandraharaha vao misondrotra ireo.
Njaka A.