Anatin’ny fifaninanana “Rugby Africa Women’s Cup 1st Division” i Madagasikara. Hifarana ny alahady 28 mey ho avy izao izany. Ny Springboks avy ao Afrika Atsimo no hihaona amin’ny XV Makis Ladies de Madagascar. Ara-tantara, efa lavon’ ny Makis ny Springboks Afrika Atsimo, teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha ny fikarohana natao omaly, ny taona 1920, nanao lalao fihantsiana tamin’ny Springboks ny ekipam-pirenena malagasy, resintsika, tamin’ ny isa 36 no ho 16, izy ireo, tamin’izany.
Ny 5 novambra 2005, nankalaza ny faha-100 taona ny Rugby Malagasy, natao tao amin’ny kianjan’i Mahamasina. Nanamarihana izany, nisy ny fihaonana nifanandrinan’ny Makis de Madagascar sy ny Springboks “Amateur” Afrika Atsimo. Mbola resintsika, tamin’ny isa 33 no ho 31, izy ireo.
Misy fanamby goavana miandry ny XV Makis Ladies, dia ny handavo ny Springboks vehivavy. Ny mpilalaon’i Afrika Atsimo izay tena matanjaka amin’ity fifanintsanana eto an-toerana ity. Tsy misy mitoko avokoa ireo ekipa nihaona taminy.
Anisan’ny taranja mampiray ny Malagasy ny rugby. Tsiahivina fa tany amin’ny taona 1870 no nisian’izany voalohany teto amintsika, rehefa tonga teto ny mpanjanaka Frantsay sy ny misionera anglisy. Araka ny tantara, ny lalao Rugby voalohany natao teto Madagasikara dia ny fihaonana ara-pirahalahiana, izay nifanandrinan’ireo mpanjanaka Frantsay sy ny mpilalao Malagasy. Fihaonana nahitana herisetra be indrindra ka voatery naato, araka ny fikarohana.
Fikarohana
nataon’i Fitia