Tora-bato avy any an-danitra

Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro.  Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny delestazy efa mampikaikaina ny mponina. Hikoha-maina aza moa hataon’ny mpanapaka jiro koa ! zara aza misy antony mitombina sy azo raisina tsara, azo anilihana ny ampahan-drihitra.
Ny tena zava-doza, ho an’ny mponina tany amin’ny tanana ivelan’ny Renivohitra. Orana mitsitaitaika saingy narahana havandra tsy mbola nisy tahaka izany. Nitolagaga izay nahita satria sady vaventy no marobe ireto vongan-drano mangatsiaka, nilatsaka avy any an-danitra. « tora-bato avy any an-danitra », « tezitra amintsika Andriamanitra amin’ny anaovantsika ny firenena e ! », « tsy mbola nisy tahaka izao anaty andro ririnina e ! », santionany tamin’ny fanehoan-kevitra nivoaka ny vavan’ny mpiserasera ireo. Ahoana tokoa no tsy ho lasa ny saina, sy hametraka fanontaniana ? Efa fotoan’ny hatsiaka izao eto Madagasikara, raha ny fizarantaona mahazatra.
Porofon’ny efa faharavan’ny tontolo iainana, mitarika fikorontan’ny toetr’andro ny zava-misy. Tranga entin’ny natiora mampahatsiahy fa izy no tompon’ny teny farany. Izy no masi-mandidy amin’izay tiany hatao na hanorana na hanavandra. Mitaky fahatsapantena lalina amin’ny zanak’olombelona izany. Tsy mijanona amin’izay fahasimbana tampoka sy mandalo noho ny havandra io, fa hisy fiantraikany lehibe amin’ny fahasalamana. Ny gripa sy ny aretin’ny taovam-pisefoana hafa efa iarahan’ny rehetra miaina, mbola mety hiampy izay nentin’ity orana hafahafa.
Ho an’ny eto an-dRenivohitra, mampanahy ny aretina ateraky ny loto. Zary lasa kolontsaina sy fomba fiainana mahazatra ny sasany ny mitakosina anaty loto. Miandry fanairana sy fanentanana amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny vao mahalala manadio ny isan-tokantrano. Isaky ny tra-boina vao tonga saina fa hay mandrora miantsilany. Toy izany hatrany, boribory vetaveta eo ! Hadino ny hafatra vao dila ny mpanentana. Soa ihany efa misy ny paikadin’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra amin’ny fametrahana vaomiera manokana, manabe sy manafay izay tsy mahalala madio.
Ny zava-niseho omaly, efa lakolosy sintonin’ny zava-boaary mba hatsiarovan’ny zanak’olombelona tena fa tsy tora-bato avy any an-danitra izany !

r.r

Partager sur: