Tontosa omaly, teny amin’ ny Esca Antanimena ny hetsika “Vaky boky faobe ankalamanjana”. Nokarakarain’ny sekoly Esca sy ny vondron’ny ray aman-drenin’ny mpianatra (Vrm). Nisitraka izany ny mpianatra 3098 niaraka tamin’ny mpampianatra, sy mpandraharaha, ary ny solontenan’ny ray aman-dreny eto Antananarivo. “Tsy misy firenena mandroso raha tsy tia mamaky boky ny mponina ao aminy satria mitondra fahalalana sy mamparani-tsaina ny ankizy izany”, hoy ny mpampianatra mpikaroka sady Vrm, Ravonjiarison Cousin Germain.
Variana amin’ny fampiasana finday sy teknolojia avolenta avokoa ny tanora ankehitriny, raha ny zava-misy. “Tsapa koa fa tsy manana kolontsaina tia mamaky boky ny vahoaka malagasy manomboka any amin’ny ankizy ka hatrany amin’ny olon-dehibe”, hoy izy. Ny fahatsapana izany no nanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana.
Atomboka eny anivon’ny fianakaviana ny vaky boky satria izy ireny no fototry ny firenena fa tsy iandrasana amin’ny Andro iraisam-pirenena, raha ny fanazavana. “Tokony hanokana fotoana 10 minitra isan-kerinandro izy ireo hanaovana izany ao an-tokantrano”, hoy izy nanamafy. Nilaza izy fa tokony hatsofoka anatin’ny politikam-panjakana ny fanentanana sy fampahafantarana ny olona fa zava-dehibe ny fitiavana mamaky boky.
Teo ambany fiahian-dRasolofondraosolo Zafimahaleo (Dama), tarika Mahaleo, ny hetsika.
Mino (mpianatra asa)