Naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fitsarana azy, afakomaly, ny mpisoloky iray ho mandefa mpiasa any Canada. Nisandoka tamin’ny olona maro, noraisim-potsiny tetsy amin’ny trano fonenany ao Antanetibe, Talata Volonondry io renim-pianakaviana io sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Tsikaritry ny manodidina ny fanangonan’io renim-pianakaviana io vehivavy maromaro isan’andro. Amin’ny alina anefa ireo olona ireo no mivezivezy. Nanoloana io tranga io, nidina ifotony nijery ny tena zava-nisy marina ny zandary ao an-toerana. Tratra tao ireo vehivavy maniry hiasa any ivelany. Nakan’io ramatoa io vola mitotaly 10 tapitrisa Ar mahery ireo fito vavy. Nentina natao fanadihadiana izy ireo. Atidoha amin’ity fisolokiana ity ilay tompon-trano. Tsy nisy tanteraka ny fampanantenany tamin’ireo efa nandoa vola. Nividianan’io mpisoloky io fanaka indray ny vola azony. Nitaky ny volany ireo voasoloky saingy norahonan’ilay ramatoa. Vokany, niafara tamin’ny fisamborana azy ka izao niafara amin’ny fampidirana am-ponja izao.
Tsiferana R.