Mitohy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana, amin’ity herinandro ity, ny hetsika Iray volan’ny fiahiana sosialy, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Nisy ny fanangonan-kevitra niarahana tamin’ireo tomponandraikitra misahana ny asa sosialy ao amin’ny faritra ahafahana manatsara ny paikadim-pirenena momba ny fiahiana sosialy.
Hanaovana jery todika sy hanombanana ny asa vita nandritra ny taona 2016 nanombohana ny tetikasa “Haraton’Aina”. Maro ireo fandaharanasa famatsiana ara-bola sy tantsoroka nomena ireo sokajin’olona marefo ka anaovana tombana.
Fotoana nanomezan’ny mpiantsehatra rehetra soso-kevitra ny amin’ny fametrahana ny lisitra manokana mirakitra ireo olona sahirana sy mila tohana ihany koa io ho an’ny faritra Atsimo Andrefana.
Ho hampiharina mandritra ny taom-piasana 2024-2030 ny paikady vaovao aorian’izao fanangonan-kevitra izao. Harenina ny lesoka, hatsaraina ny efa nahomby, ahitana vokatra tsaratsara kokoa amin’ny fiahiana ireo fianakaviana marefo.
Efa voasonia ny famatsiam-bola ho amin’ny 7 taona manaraka, izay mitentina 250 tapitrisa dolara. Hiitatra amin’ny faritra 23 ny tetikasa, raha faritra 15 no nisitraka izany teo aloha ka “Haraton’Aina mampiaty” indray no hiantsoana azy. Maherin’ ny 1.500.000 ny tokantrano nahazo tombontsoa tamin’ny tetikasa “Haraton’Aina”, tao anatin’ny 7 taona voalohany (2016-2023).
Hisy fomba fiasa vaovao manaraka ny fanitsiana voafaritra ka iarahan’ny rehetra ampiharina avy eo mba tsy hisian’ny fahasamihafana amin’ny fizarana ny karazana tosika.
Tatiana A