Basikety-Donovan : « Mahay i Etazonia saingy azo resena »

Nigadona teto Mada­gasikara, ny faran’ny herinandro teo, Rakotonanahary Donovan, mpilalaon’ny An­koay U19, nandranto ny taranja basikety tany Eta­zonia, nanomboka ny volana septambra 2022. Hiatrika ny fampivondronana miaraka amin’ireo namany ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany U19, hatao any Hongrie, izy. Nambarany fa nahita ny fomba filalaon’ny ekipa ao Etazonia sy ny fahaizany izy, nandritra ny enim-bolana mahery izay. Mahay, hoy izy, ny ekipa ao Etazonia ary tena manana teknika ambony be. Betsaka koa ny mbola mahay noho izy anefa. Nohamafisin’i Donovan anefa fa azo resena tsara i Etazonia saingy mila fanomanana mafy.
Nanamafy izany ihany koa ny mpanazatran’ny Ankoay U19, Randria Aimé ary nilaza fa ny fiatrehana lalao ara-pirahalahiana no tena ilaina mba hakana traikefa amin’ireo henjana. Efa nisy moa ny fiofanana sy fiatrehana lalao fi­tsapana maro nataon’ny An­koay U19 tany Frantsa, nandritra ny 3 herinandro ary hotohizana eto an-toerana ny fampivondronana. Ny 1 jona izao no ho feno tanteraka ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa nasionaly U19 .

Mi.Raz

Partager sur: