Nahazo biraom-panjakana vaovao ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, eny Antsahabe. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, sy ny Filohan’ny filankevitra monisipaly, Ralitera Andriamparany, omaly. “Natokana hiasan’ny departemanta misahana ny fananan’ny kaominina io birao vaovao io ary hahafahana mifanerasera amin’ ny mponin’ Antananarivo”, hoy ny ben’ ny Tanànan’ Antananarivo, Andriantsitohaina Naina. Manana velarana 90,51 m2 sy misy rihana iray ary ahitana efitra maromaro hiasan’ny mpiasa ny trano, raha ny bikabikan’ny trano. Efa vonona tanteraka ireo mpiasa eny an-toerana hiantsoroka ny asa aman-draharaha eo anivon’ny kaominina. Mba hanomezana fahafaham-po ny mponina rehetra, raha ny fanazavana. Marihina fa nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny filankevitra monisipaly ary ireo mpiara-miombon’antoka ka nahafahana nanatanteraka ny asa, raha ny fanazavana voaray.
Mino (mpianatra asa)