15 taona tsy niato, teo amin’ny sehatry ny famokarana fampisehoana sy fampitaovana hetsika ny mi’Ritsoka Production. Nomena mari-boninahitra ny tale jeneraly ho fankasitrahana ny zava-bitan’ity orinasa ity.
Lanonana niavaka. Notoloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny mari-boninahitry ny kanto, “Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” ny tale sady mpanorina ny mi’Ritsoka Production, Randriamampianina Hery, ny alin’ny alakamisy teo, teny amin’ny Tanàna Zoari, Ilafy. Tonga nanolotra izany ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, ho fankasitrahana ny zava-bitan’ity trano mpamokatra fampisehoana ity, teo amin’ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina.
“Anjara biriky lehibe no nentin’ny mi’Ritsoka ho an’ny kolontsaina. Mpiara-miasa ilain’ny mpamorona sy ny mpanakanto ianareo. Tsy vitan’ny hoe nahavita be tamin’ny kolontsaina fa maodelin’ny asa sy ny ezaka, satria dia niainga tamin’ny kely indrindra ny mi’Ritsoka tamin’ny taona 2008, ka tonga amin’izao misy azy izao”, hoy ny ampahan’ny lahatenin’ny minisitra. Nanamarika ihany koa izy fa anisan’ireo mpiara-miasa akaiky tamin’ny minisitera ity trano mpamokatra fampisehoana ity, nandritra izay 5 taona latsaka kely izay.
“Ilay fikatsahana ny kalitao ho tsara kokoa hatrany no tena nampisongadina ny mi’Ritsoka tamin’ny maro. Nampiseho ny maha matihanina tamin’izay natao rehetra”, hoy kosa ny filazan’i Niry Ravelojaona, izay ray mpiahy ny fankalazana ny faha-15 taona.
“Mi’Ritsoka kely foana no ilazanay azy, satria mbola mikatsaka ny tsara kokoa hatrany, ary mbola manana tanjona maro tian-kotanterahina amin’ny fotoana ho avy izahay”, hoy kosa Randriamampianina Hery.
Tsiahivina, ny alatsinainy izao ny ivon’ny fankalazana sady fisaorana ny besinimaro nanaraka ny mi’Ritsoka hatramin’izay. Fampisehoana “Feo sy gitara”, izay hotontosaina etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe io.
Randria.