Fandaharanasa PLAE 6 : hamerina amin’ny laoniny ny ala 45.000 ha

Hampiakatra ny harinkaren’ny mponina sy hanarina indray ireo toeram-pambolen’ny tantsaha amina kaominina maro samihafa ary hametraka ala arovana, amina hektara maro hatramin’ny taona 2027, ny fandaharanasa PLAE 6.

Hifantoka amin’ny fiarovana ny sahandriaka, nofon-tany, hahafahana manohy ny fitrandrahana ny harena voajanahary. Hikojakoja ny tany sy hamerina ireo rano manondraka ny fambolena sy ny tanimbary entina hampitomboana ny fihariana. Ho fiarovana ny voly samihafa ka hampiroborobo indray ny toekaren’ny mponina. Ireo ny tanjona apetraky ny fandaharanasa ataon’ ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, mikasika ny fiarovana ny sahandriaka “Programme de lutte antiérosive 6” (PLAE). Noho izany, hamerina ala manodidina ny 45.000ha amina kaominina 20, anatina faritra samihafa ity tetikasa ity hatramin’ny 2027. Hisitraka izany ny ao Amoron’i Mania, Betsiboka, Boeny, Matsiatra Ambony ary Ihorombe. Mponina manodidina ny 150.000 kosa no hahazo tombontsoa mivantana amin’izany.
“Hamerina ireo ala eny anivon’ny kaominana izay apetraka ho vokatry ny ezaky ny fokonolona, ny ben’ny Tanàna, ny governora ary ireo tomponandraikitra samihafa ao amin’ny faritra ny tetikasa. Hamerina ny fambolen-kazo isam-batan’olona ihany koa ity fandaharanasa ity, izany hoe, hanana toerana hambolen-kazo ny fianakaviana iray. Hotohizany ihany koa ny dingana rehetra natao nandritra ny PLAE 5 ka hotsaraina ny faharetan’ny kijana tsirairay”, hoy ny fanaza­van’ny minisitry ny Fambo­lena sy ny fiompiana, Ra­milison Harifidy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, nandritra ny fampahafantarana ity tetikasa ity tamin’ny fomba ofisialy.
Hampitombo ny harin-karena
Betsaka ny tombontsoa hateraky ny tetikasa, indrindra ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny fambolena ataon’ ny tantsaha. Hojerena manokana ny hampateza ny famokarana sy ny fiompiana ary ny fikojakojana ny kijana amin’ny fomba maharitra. Hanao fambolen-kazo isam-batan’olo­na hatramin’ny 6.950ha ny te­tikasa raha hamboly ala amina velaran-tanin’ny kaominina 7.550ha. Ankoatra izay, hametra­ka ala arovana amina velaran-tany 7.900ha koa ny PLAE ary ala fihinam-boa mahatratra 18.000 ha. Manampy izany ny kijana 8.150ha. Etsy ankilany, tafiditra anatin’ny tetikasa ihany koa ny fiarovana ny fana­nantany. Hisy, araka izany, ny fizarana kara-tany mba ho toky sy antoky ny tantsaha.

Henintsoa Hani

Partager sur: