Natao ny alatsinainy sy talata teo ny fihaonana an-tampony eo amin’ireo mpitantana seranan-tsambo eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Nandray anjara tamin’izany ireo Nosy rahavavy, misy an’i Comores, Maurice, La Réunion, Mayotte, Seychelles ary i Madagasikara. Nanatrika izany koa ireo tomponandraikitra samihafa avy ao Taolagnaro sy ny avy ao amin’ny Société du port à gestion autonome (SPAT) ao Toamasina izay nampiantrano ny fivoriana. Ain-dehibe
amin’ny fampandrosoana ity natao ity hampiakarana ny toekaren’ireo firenena mpikambana ao amin’ny Association des ports des îles de l’Océan Indien (APIOI). Voizina ny fanatsarana ny fomba fitantanana ao anatin’ny fikambanana. Tanjona ihany koa ny hananana seranan-tsambo lehibe sy matanjaka ary hanjakan’ny fandriampahalemana eto anivon’ny ranomasimbe Indianina. Tafiditra anatin’ny lahadiniky ny fivoriana ny hampiroboroboana ny fandraisana sambo lehibe mitondra mpizahatany. Eo koa ny fanitarana ny seranan-tsambo ary ny fampiofanana mpiasa hanatsarana ny kalitaon’ny asa amin’ireo samy mpikamban’ny APIOI. Filoha mpitarika ny filankevitra ny tale jeneralin’ny seranan-tsambon’i Seychelles, Sony François Payet. Hampiantrano ny fivoriana manaraka kosa i La Réunion.
Sajo