Hitan’ny caméra : mpamaky trano voasambotra

Noraisim-potsiny ny lehilahy iray namaky trano, tao amina fokontany Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy teo. Tsy nisy olona tao amin’io tokantrano io. Tonga hanadio trano toy ny mahazatra ny mpiasa roa vavy kinanjo efa nahita lehilahy iray tao anatin’ny trano. Heverin’izy roa vavy ho vahinin’ny tompon-trano io lehilahy io. Ity farany izay nanao azafady ireto mpanampy an-trano ary nitsoaka nandositra. Minitra vitsy taorian’ io, tonga saina ireo mpanampy fa mpangalatra ilay lehi­lahy niditra tao an-trano. Nampandre avy hatrany ny zandary izy ireo. Nijery ny zava-nisy, nojerena tamin’ny alalan’ny “caméra de surveillance” ka hita ny nahavanon-doza. Nosamborina tany Ambatolampy Tsimahafotsy io lehilahy io, taorian’izay. Sarona teny aminy ny finday roa an’ny tompon-trano.

Tsiferana R.

Partager sur: