Mpanendaka : voatifitra tetsy Ampasika i Nanando

Nirefodrefotra indray ny basy ! Lavon’ny balan’ny polisy i Nanando, jiolahy efa ikoizana amin’ny asa fanendahana miharo vono olona teto an-dRenivohitra, tetsy Ampasika, omaly. Mpameri-keloka, efa nokarohina hatry ny ela ity olon-dratsy lavo ity. Mitondra basy, manendaka eny amin’ny faritra Manarin­tsoa io jiolahy io sy ny namany. Ao anatin’ny andro iray, intelo mahavita ny asa ratsiny izy ireo, araka ny nambaran’ny polisy. Nifanena tamin’ny polisy manao fanamiana sivily, nikasa handositra i Na­nando. Tsy nety nijanona rehefa nampitsahatra azy ny mpitandro filaminana. Na­moaka ny basy teny aminy io jiolahy io ka raikitra ny an-kitifitra. Poa toy izay, namaly tifitra koa ny polisy. Vokany, lavo nandritra ny fifanenjehana io jiolahy raindahiny io. Mitohy ny fikarohana ireo naman’ity namoy ny ainy ity. Tsiahivina, jiolahy iray koa vao lavon’ny mpitandro filaminana, tetsy Sabotsikely, afakomaly alina.

Tsiferana R.

Partager sur: