Raharaham-pirenena: miantso dinika andatabatra ny FFKM

Namoaka ny hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Nivoitra tamin’izany ny antso avo nataon’ireo raiamandrenin’ny fiangonana manoloana izao toe-draharaham-pirenena : sosialy, toekarena, politika… izao.

“Hamafisinay ny antso avo ho an’ ny tomponandraikitra sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena fa ilaina ny fifampidinihana an-databatra, iarahantsika mitady vahaolana handresena ny sakana rehetra tsy mampandroso ny firenentsika”, hoy ny hafatry ny raiamandreny am-panahy, omaly. Maro ny teboka tokony hojerena, tahaka ny savorovoro politika sy ny fifampiandaniana ary ny olana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Notsia­hivin’ny FFKM ny ady hafa tsy maintsy hatrehina: ny ady amin’ny fahantrana, ny sondro-bidim-piainana, indrindra ny PPN. Manginy fotsiny ny olan’ny Jirama sy ny sandam-bola. Tsy maintsy jerena akaiky ny tsy fandriampahalemana, ny fanolanana sy ny fakana an-keriny ary ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Tsy azo hamaivanina ihany koa ny ady amin’ny hosoka sy ny kolikoly, ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena ary ny ady tany. “Ma­naitra ny feon’ny fieritreretan’ny rehetra izahay, ary am-panetrentena hiara-kitady ny vahaolana, hijery ny tombontsoam-pirenena”, hoy hatrany ny FFKM.
Mba hiasa
am-pahamarinana
Anisan’ny vahaolana naroson’izy ireo ny fampandeferana ny hambompo sy ny fieken-keloka ary ny fibebahana. Ny fandalana ny fihavanana sy ny fiainana ny fahamarinana, ivoahana amin’izao fahasahiranana izao. “Aoka tsy ho lany andro amin’ny ady hevitra tsy mahasoa sy ny fifampihantsiana fa hiatrika ny fahavalo iombonana : ny fahantrana”, araka ny hafatra. “Ialao ny fanararaotam-pahefana. Aoka hifanaja sy hanara-dalàna…» hoy izy ireo.
Ankoatra izany, nentanin’ny FFKM ny rehetra handray andraikitra, mandritra ny fo­toam-pifidianana. Niantso ireo mpikarakara fifidianana hiasa am-pahamarinana, tsy hiverenan’ny olana teo aloha ka niteraka korontana sy savorovoro eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny Ceni sy ny HCC. “Aoka isika sy ny zanaky ny fiangonana ho sahy hijoro ho vavolombelona hiaina sy hitory ny fahamarinana hatrany”, hoy izy ireo.

Manaitra ny mpitandro filaminana
Etsy andaniny, niantso ny olom-pirenena sy ny kristianina koa ny fiangonana ho vonona hijoro amin’ny alalan’ny Andri­maso FFKM. Nian­tso fandraisana anjaran’ny rehetra amin’ilay fihaonambem-pirenena, efa natomboka sy hitohy any amin’ny faritany FFKM ary hofaranana eto Antanana­rivo, ny vola­na ao­gositra ho avy izao. “Hana­ma­­fisana ny fiombonana sy hanangonana ireo hevitra hanatsara ny fiainam-piangonana sy ny fiainam-pirenena izany”, hoy ny hafatra.
Manaitra ny mpitandro filaminana koa ny raiamandreny am-panahy, manoloana ny tsy fandriampahalemana. “Aoka ho tandroka aron’ny vozona ka ho vaindohan-draharaha ny fiarovana ny va­hoaka sy ny fananany. Zanaky ny fiangonana koa ianareo”, hoy ny FFKM.

Synèse R.

Partager sur: