“Rugby Women’s cup 2023”: famaranana kely ny an’ny Springboks sy ny Makis Ladies

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis avokoa ny sain’ny rehetra rahampitso alahady. Ho fantatra eo mantsy ireo ekipa roa hiatrika ny “Mondial 2025”, taranja rugby. Anisan’ireo hiady izany tapakila izany ny Makis Ladies.

Hiditra amin’ny andro fahatelo sady farany, rahampitso alahady, ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, rugby lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup 2023”. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis izany fihaonana izany. Ho fantatra eo ireo ekipa roa hanohy ny dia.
Hiatrika ny “Mondial 2025”, ho an’ny Diviziona 1, ny voalohany raha ny Mon­dial ho an’ny D2 ny faharoa. Anisan’ireo manana herijika hiady izany ny Makis Ladies. Araka izany, lalao andrasan’ny rehetra, ny an’ny Spring­boks sy ny Makis, izay ho toy ny famaranana kely. Mitarika vonjimaika ny Springboks, manana isa 6, taorian’ny fahavitan’ny andro 2 voalohany. Tsy mbola nahafatesana baolina mihitsy ary manana “bonus offensive” be indrindra. Efa tafita hiatrika ny Mondial izy ireo saingy hiady ny laharana voalohany hahalalana izay fifaninanana hataony.
Faharoa mitovy ny Makis Ladies sy ny Simbas Kenya, samy manana isa 3 avy saingy manantombo amin’ny fahazoana “bonus offensive” ny Makis Ladies. Liona tsy voafolak’i Cameroun no fahefatra, tsy manana isa ary tsy mbola nahafaty baolina tamin’ireo lalao roa vitany. Efa tsy manana herijika ny ho tompondaka intsony izy ireo, noho izany.

Tsy mahazo resy ny Makis Ladies
Tsy misy kajikajy azo atao intsony ho an’ny Makis Ladies fa tsy maintsy mandresy ny Springboks ary maka “bonus offensive”. Sarotra saingy azo atao ny mandresy ny Springboks. Vonona ireo mpilalao ary miantso ireo mpijery ho tonga maro, hanohana azy ireo. Etsy ankilany, mbola afaka miandrandra hanohy ny dia koa ny Ke­nyanina, hifandona amin’i Cameroun. Tafita avy hatrany izy ireo raha ka toa ka mandresy ka mahazo bonus. Tsy hisy lanjany intsony amin’izay ny an’ny Makis, na handavo an’i Afrika Atsimo aza.
Raha resin’i Cameroun i Kenya, ka mandresy ny Springboks ny Makis dia ny Malagasy no mitana ny laharana faharoa, ary hiatrika ny “Mondial D2”.

Tompondaka

Partager sur: