Seces Sampana Antananarivo: mitaky ny handoavana ny karaman’ny vakatera

Nivory teny Ankatso ny Seces, sampana Antananari­vo, omaly. Tapaka nandritra izany fa mitaky ny handoavana tsy misy hatak’andro ny karaman’ireo mpampianatra vakatera manerana ny toeram-pampianarana eto amin’ny oniversiten’Antananarivo izy ireo. “Mikatona ho azy ny oniversiten’Antananarivo raha sanatria ka mitsahatra tsy mampianatra ireo vakatera ireo na dia ny antsasany ihany aza”, hoy ny filohan’ny Seces, sampana Antananari­vo, Pr Ravelomanana Sammy Grégoire. Nohamafisiny fa tsy afa-misaraka ny roa tonta ary andry iankinan’ny fampihodinana ny ambaratonga ambony ka tsy tokony hatao ambanin-javatra.
Ankoatra izay, mahatsapa izy ireo fa tsy laharam-pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Noho ny fahataran’ny famoahan’ny fitondrana ny tolo-dalàna izay efa tokony nahazahoana valiny.
Farany, ekena ny hanatanterahana ny fivoriana nasionaly tsy ara-potoana eny anivon’ny Seces eto Antanana­rivo. Miompana amin’ny zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ary ny fijerena ny samihafa (fiainam-bahoaka, ra­haraham-pire­nena…), ny lohahevitra amin’izany, raha ny fanazavana.
Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo, noho izany, mba hijery sy hamaha ny olan’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: