« Sokela, la parole du Sud » : Voaresaka avokoa ny zava-misy ankehitriny

Nivoaka indray ny « Soke­la, la parole du Sud », andiany fahafolo. Izy ity izay gazety boky nosoratan-dRasa­moelina Henri, mpanoratra sy mpahay tantara, ary niarahany niasa tamin’ny « Editions Universitaires Européennes » ny fanontana azy. Mbola any ivelany ihany no ahitana ny boky amin’izao ary efa eo am-panatanterahana ny hanaparitahana azy eto Madagasikara ny tomponandraikitra. Nisy ny fiaraha-miasan-dRasa­moeli­na Henri tamina ma­nampahaizana maro samihafa, tamin’ny fanoratana sy fanatontosana izao asa soratra izao. Tanjona amin’ny namokarana ny gazety boky ny hanomezana fitaovana ho an’ny tia mikaroka mba hahafahan’izy ireo miresaka lohahevitra manan-danja amin’ny lafiny sosialy, politika, toekarena ary kolontsaina eto Ma­dagasikara.
Nifarimbona sy niara-niasa tamin’ny fanoratana sy fanatontosana izany ny Profe­sora Rakotoarivelo Anselme, Dr Ranaivomahasetra Rajao­narisoa ary ireo teolojianina. “Relecture du Fihavanana pour la réconciliation nationale à Madagascar” notontosain’ny Pastora Rasolonjato­vo Riana Lalaina. « Les Prob­lèmes de vol de bœuf à Mada­gascar» nataon’Andri­an­jara Zafy Athanase. Hita ao ihany koa ny « Ambovombe, carrefour historique de l’Androy de 1900 à 1960 » nataon’ny Dr Manovondahy Mara. « Ma­riage des femmes malgaches» itondran’Andria­manantena Verohanitra Ma­riette famelabelarana. Miton­dra ny anjara birikiny amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe « Réflexions sur les problèmes d’eau à Madagas­car » kosa ny Profesora Ra­samoelina Henri.
Gazety boky anisan’ny sangany ny « Sokela, la parole du Sud ». Maro ireo oniversite vahiny, indrindra ny ao Eoropa no ahitana azy. Eo ihany koa ny nandikana ireo andiany teo aloha tamina te­nim-pirenena enina tao Eoro­pa.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: