Manome toky ny filoha Rajoelina ny fikambanana Toko bey telo fa ao an-damosiny izy ireo amin’ny fanokafana ny tetikasa Base Toliara. Efa nanao antso avo ny fanohanany ny hisokafan’ity orinasa ity ny fikambanana tany Toliara. Namerina manamafy izany indray izy ireo, ankehitriny, ka tonga eto Antananarivo, ireo filoha mpitarika miisa telo avy amin’ny fikambanana Tanalagna, nampita tamin’ireo mpikambana eto Iarivo. Nilaza ny mpitondra teny, Hardy Spener, fa «tsy zakanay intsony ny tsy fisian’ny asa any Toliara. Manamafy izany antso izany ny Toko bey telo satria miantoka ny hoavin’ny zanakay sy ny taranakay , izay monina manodidina ny toeram-pitrandrahana tetikasa». Nampahatsiahivin’ny fikambanana ny lanja ara-toekarena hoentin’ity tetikasa ity. Hisy koa ny tombontsoa ho azon’ny vondromparitra itsinjaram-pahefana (CTD), ka ahafahan’izy ireo manao tetikasam-pampandrosoana mivantana ho an’ny mponina. Ireto farany izay tena sahirana, tsy manana asa ary ianjadian’ny loza voajanahary. Tetikasa sosialy manome antoka ny Toko bey telo fa manana tetikasa sosialy mazava ho an’ny mponina ny Base Toliara. Toy ny famatsian-drano fisotro, ny fananganana toeram-pitsaboana, ny fizarana masomboly, ny fanohanana ny mpanjono sy ny velontenan’ny mponina ankapobeny. Mampahatsiahy ity fikambanana ity fa tsy misy ny ahiahy sy ny ambana amin’ny tetikasa. Andrasana fatratra ny fanapahan-kevitry ny filoha Rajoelina. Miantefa any amin’ireo fikambanana samihafa any Toliara. Toy ny Vovonana olobe, ny Vavea, ny fikambanana Tomira, ny Zaza Mazoto, ny mpanjono Akioviko, ny Vezo Tea Longo, ny Fivami, ny Fitea, ny mpitarika posy, ny vovonana ho fampandrosoana an’i Toliara, ny Fitaza, ny fikambanam-behivavy, sns.
Njaka A.