Aferam-batosoa : telo lahy novonoina, nanjavona ny mpimasy

Telo lahy matin’ny fokonolona. iray maratra, roa tsy naninona ka voalaza fa mpimasy ny iray, tamin’ny sabotsy alina. Nampangaina ho mpangalatr’olona, kanefa mpisera vatosoa izy ireo.

Tokony ho tany amin’ny valo ora alina, ny sabotsy lasa teo ! Maty tsy tra-drano, nanamparan’ny fokonolona habibiana sy tora-bato ny telo lahy nosamborin’izy ireo. Maratra mafy, voafira famaky tamin’ny lohany ny lehilahy iray hafa. Afa-nitsoaka, nanavotra ny ainy kosa ny lehilahy iray niaraka tamin’izy ireo ka voalaza fa mpimasy. Ny iray kosa nitolo-batana tamin’ny fokonolona, ka tsy nataon’izy ireo na inona na inona. Tany Lalazana ambony, kaominina Ambanivohitra Soahindrana, distrikan’i Lalangina no nisehoan’izany. Nampangain’ny fo­ko­nolona ho mpangalatr’olona izy ireo, ka niharan’ny fahatezerana tahaka izao. «Nanam­pa­ran’ny fokonolona habibiana izy ireo . Nopotehin’ny vahoaka marobe ihany koa ny fiara tsy mataho-dalana iray. Tsy fantatra mazava na nisy vola very na tsia anefa tao anatin’ny fiara», araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana sy ny fanazavana nataon’ny lehiben’ny fokontany iray amin’ireo telo, fiavi­an’ny fokonolona nanao fitsaram-bahoaka. Marihina fa ny alahady maraina, namonjy ny mpitandro filaminana ilay iray nitolo-batana tamin’ny vahoaka. Izy no nitantara ny nanjo azy ireo. Ilay olona voalaza fa mpimasy kosa nanjavona. «Toa manamarina izany ny nahitana karazana moara tao anatin’ny fiara», hoy hatrany ny loharanom-baovaon’ny gazety

Mpisera vato
Araka ny angom-baovao natao avy any an-toerana, enin-dahy ireo lasibatra no niaraka. Handeha hividy vato, asa fa­na­on’izy ireo mahazatra. Nisy olona any an-toerana, nifampiraharaha mialoha. Tokony ho nidina tany andro iray mialoha ireto mpisera saingy nahemotra. «Efa nidina tamin’ny fokontany tokony hanaovana ny fifampiraharahana, andro vitsy mialohan’ny sabotsy ireto vahiny, avy ao Fianarantsoa tampon-tanana. Navezivezin’ireo mpivarotra na ny tompom-bato anefa. Voalaza ihany koa fa tsy maintsy alina no hanaovana ny afera, noho ny antony maro samihafa. Mazava ho azy, efa nisy nahatsikaritra ny fivezivezen’ilay fiara tamin’ny alina. Vantany vao nisy ny hirika, niantsoan’ny fokonolona koaka dia izao : sady nirongatra no namono olona izy ireo», hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Araka ny loharanom-baovao hafa, tsy mpangalatr’olona velively ireto novonoina, fa amin’ny maha vahiny azy ireo, dia diso lalana. Nanampy trotraka ny andro maizina sy ny maha ambanivohitra mangina ny tanana. Vantany vao nisy ny koaka nataon’ny fonokolona dia niezaka ny nanazava sy niaro tena izy enin-dahy tao anaty fiara. «Tsy te hahalala ny fokonolona fa niziriziry nitady ny porofo nifandraika tamin’izany», hoy hatrany ny loharanom-baovao.  Saika niharan’ny fi­tsaram-bahoaka rahateo ny lehiben’ny fokontany, izay niezaka nanazava sy nanakana ny fampiasan-kery. «Tsy afa-na­nao na inona na inona aho sa­tria olona marobe no vory teo. Nanampy ahy ny polisim-po­kon­tany, kanefa izaho indray no nampangaina ho naka volabe. Nisy tamin’ny olona vory teo no nihorakoraka hoe Mialà ianao raprezy fa tsy ho fatifaty eo ! Ni­ala aho satria tsy afa-nanohitra», hoy ny lehiben’ny fokontany iray nanaovana fanadihadiana.

Nivadika !
Voalaza fa toe-javatra tokony ho voasoroka ny zava-nisy raha tsy nivadika ny olona izay nanafatra sy voalaza fa mpiara-miasa amin’ireto lasibatra. Re­he­fa nisy ny fisamborana nata­on’ny fokonolona, tsy nandositra sy tsy nitady hirika nitsoahana izy enindahy. Nangataka fifa­na­zavana ny andaniny sy ny ankilany. Nanome anaran’olona iray ny vahiny. «Indrisy anefa, nivadika izy.  Nandefasana solontenan’ny fokonolona sy ny polisim-pokontany nankany an-tranony mba ho avy sy hanazava ary hanaporofo amin’ny fokonolona. Nilaza ho tsy mahafantatra azy ireo izy.», hoy ny loharanom-baovao iray. Misy milaza fa ireo zava-pisotro hita tao anatin’ny fiaran’ny lasibatra dia tokony ho naterina tany aminy, mba ho fiaraha-mifaly aminy, noho ny fahavi­tan’ny raharaham-panambadi­an’ny zanany vavy.
Manoloana ny zava-nisy, ni­vory maika, omaly, ny teo an­ivon’ny OMC, faritra Matsiatra Ambony. Hisy ny fanadihadiana lalina hataon’ny mpitandro ny filaminana. Efa nalain’ny fi­a­nakaviana, afakomaly alina, ihany ny razana.

Tsiferana sy JC

 

Partager sur: