Nifarana ny alahady 28 mey lasa teo, tao amin’ny kianjan’ ny Makis Andohatapenaka, ny fifaninanana Rugby Africa Women’s Cup 1st Division. Lasan’ny Springboks Afrika Atsimo, ny amboara be sy ny medaly volamena. Nampiondrika ny XV Makis Ladies Madagasikara, tamin’ny isa 79 no ho 8, izy ireo. Ny ekipan’ny Springboks sy ny Simbas Kenya no hanao ny lalao maneran-tany “World Cup Women’s”. Taorian’ny vokatra, mijanona ao amin’ny vondrona A “1st Division” ny ekipam-pirenena malagasy izay nahazo ny medaly alimo.
Mikasika ny lalao nihaonan’ny Springboks sy ny Makis Ladies, nanjaka tanteraka ny Afrika Atsimo na dia niezaka nanohitra aza ny mpilalao malagasy. Fitsarana ny CCP, ny minitra faha-14, iray nodakan’i Zouanah, malagasy mpilalao sy baolina nentin-tanana tokana tany amin’ny minitra faha-40, nataon’i Zouanah ihany no isa azon’ireo XV Makis Ladies. Tombony ho an’ny Springboks ny famoahana baolina eny amin’ny sisin’ny kianja sy ny tanjaka. Mora ho azy ireo ny naka ny fandresena nanoloana ny Makis Ladies.
“Resy isika saingy hita fa niezaka ny mpilalao malagasy. Maro ny lesona azo tsoahina taorian’iny fifaninanana. Mbola lavitra ny lalan’ny Makis Ladies, mbola manantena fa ho lasa lavitra ny ekipam-pirenena malagasy”, hoy ny mpanazatra ny Makis Ladies, Randriamihaja Alain.
Fitia (Mpianatra asa)