Androndra : rotiky ny balan’ny polisy i Betela

Nirefodrefotra ny basy! Maty voatifitry ny polisy mi­a­sa ao amin’ny kaomisaria bo­ri­­borintany faharoa (CSP2), Ambohijatovo, i Betela. Jio­lahy raindahiny amin’ny fanafihana izy. Efa tsy zoviana amin’ny polisy rahateo, efa eo am-pelatanan’izy ireo ny momba azy. Mpamerin-keloka izy. Manohy ny asa ratsiny, isaky ny mivoaka ny fonja, araka ny fanampim-panazavana nomen’ny polisy hatrany.
Nahazo loharanom-baovao ny polisy ny sabotsy alina tamin’ny 9 ora sy sasany fa mihaodihaody eny amin’ny manodidina an’Androndra i Betela. Voalaza fa mikasa hanao asa ratsy teny an-toerana izy. Nidina teny an-toerana ny polisy. Voamarina ny fisiany, raikitra ny fifanenjehana. Vokany, maty voatifitra izy. Hita teny aminy nandritra ny fisavan’ny polisy ny antsy lava iray fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny.

Marobe ireo olona efa nitondra faisana taminy, an­ko­a­tra ireo fitarainana voarain’ ny polisy. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny fampandriana fahalemana satria isan’ny faritra ahenoana trangana tsy fandriampahalemana tato ho ato eny Androndra.

Partager sur: