Tomefy olona ny kianjan’ Antsavatsava Itaosy, omaly, nandritra ny fampisehoana « Lundi de Pentecôte fety be » nokarakarain’ny Art’Ivo. Mpahay kanto, mpihira, enina, samy manana ny maha izy azy no nampifaly ny olona tonga teny nandritra io fampisehoana io. Teo ihany koa ny fisian’ny mpahay kanto nasaina manokana sy ny mpanao hatsikana, izay niandraikitra ny lafiny fanentanana. Haikanto maro samihafa no nameno ity fampisehoana ity. Ireo hira malaza ankehitriny no tena re sy nanakoako nandritra ny fampisehoana, izay anisan’ny nampiavaka ity fampisehoana ity.
Mpanakanto miisa 6, manana ny lazany eto Madagasikara, Mijah, Johanne, Nael, Odyai, Mad Max ary Twokii, ireo no nifampizara sehatra tao amin’ny Kianjan’Antsavatsava, omaly. Nanentana sady nitondra ny kantony ihany koa ny Etsetra Etsetra, amin’ny maha mpanao hatsikana azy ireo. Nahafaly ny mpijery ihany koa, ary nampitombony ambiansy ny fahatongavan’i Ramora Favori, amin’ny maha mpahay kanto, mpihira, nasaina manokana azy. « Nomena vahana kely ny tanora sy ny mpankafy ny gadona malaza ankehitriny tao anatin’izao hetsika izao. Tanjona ny hampifaly ny vahoaka sy ny mpankafy an’ireo tarika ireo », hoy ny tompon’andraikitra mpikarakara.
Lin(Mpianatra asa)