Nijanona teto Madagasikara nandritra ny iray volana sy tapany ny orthophoniste belge sady mpampiofana, Dominique Ruidant. Nanao fifampizarana ny fomba fifaneraserana amin’ny alalan’ny fihetsika (sesame) amin’ny olona hafakely izy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Autisme Madagascar, Ravelonarivo Mihanta. Miainga amin’ny fampiasana ny tenin’ny tanana izany. Fanehoana sy fizarana ny zava-misy any aminy mety azon’ny ray aman-dreny malagasy manana zanaka na fianakaviana autiste ampiasaina no nataony, tamin’ny herinandro, teny Antaninarenina. Nampiofana mpitsabo 30, ray aman-dreny 60, mpanabe 80, sy mpilatsaka an-tsitrapo ao amin’ny fikambanana autisme Madagascar teto Analamanga, Antsirabe, Toliara ary Mahajanga momba ny sesame izy. Maimaimpoana no nanatanterahan’ity manampahaizana ity ireo fifampizarana rehetra ireo.
Betsaka amin’ireo ray aman-dreny no sahirana rehefa tsy miteny ny zanany autiste nefa misy fomba hafa amin’ny fihetsika azony hifaneraserana aminy. Ny ray aman-dreny sasany efa manao fihetsika fifaneraserana fa nohamafisina tamin’ny fanehoana izany. Manana masoivoho amin’ny faritra sivy eto Madagasikara ny Autisme Madagascar ka teny anivon’ireo ihany no nanaovana ny fifampizarana. Tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny fikambanana ny fanamafisana traikefa ho an’ireo olona manana havana autiste na mpandray an-tanana ireo olona hafakely amin’ny sehatra maro.
Vonjy